Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Youth for wash Madagascar – Natomboka amin’ny famolavolana sata ny atrik’asa

Ny « Youth for wash Madagascar (Y4WM)» dia vovonan’ny tanora miantsehatra ao amin’ny rano fanadiovana sy fidiovana. Ny antom-piasan’ny vovonana dia ny hanatratrarana ny laharana faha-enina ao amin’ny tanjona amin’ny fampandrosoana maharitra amin’ny taona 2030 dia rano fisotro madio ary foto-drafitr’asa ho an’ny fanadiovana ho an’ny rehetra. Mba hanatrarana izany dia hisy ny hetsika karakarain’ny vovonana amin’ny fampahafantarana ny olona rehetra fa manan-jo hananana rano fisotro madio sy foto-drafitr’asa ho amin’ny fanadiovana izy.

Ny volana martsa ho avy izao ny volana ho an’ny rano, ka anisan’ny handray anjara amin’izany ny vovonana. Ary mba hidirana amin’ny lalina kokoa amin’izay sehatra izay dia natomboka tamin’ny famolavolana sata ny atrik’asan’ny « Youth for Wash Madagascar » ka ny 23 hatramin’ny 25 fevrier teo no nanantanterahana izany teny amin’ny trano foiben’ny WaterAid Madagascar. Satria raha hanao zavatra dia ny fananganana asa-panjakana no tsara indrindra, ary manana andraikitra amin’ny fanairana ny fanjakana mba hanafainganana  ny fanatrarana io laharana faha-enina ao amin’ny Odd  io ny vovonan’ny tanora, hoy i Edith Karen, komity mpitantana ny Y4WM.

Ny 3 jona 2015, teny amin’ny Cci Ivato, no nisy voalohany ny Y4WM nandritra ny fivoriamben’ny tanora miantsehatra amin’ny sehatra rano fanadiovana sy fidiovana ary manodidina ny 30 eo ny ao anaty fikambanana. « Hiarahana mahalala fa ny tanora no maro an’isa eto Madagasikara ka ny hampiseho izay fahamaroana izay no antony nijoroan’ny fikambanana satria hery ho an’ity Nosy ity izahay. Tiana hovaina ihany koa ilay fitenenana hoe ny tanora no ho avin’ny firenena. Izahay tsy ho avin’ny firenena fa izahay no ankehitriny », hoy hatrany Edith Karen.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre