Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Oniversite Aceem – Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny mpianatra andiany « Ilo »

Miisa 397 ireo mpianatra andiany faha-enina misalotra ny anarana « Ilo », nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Avy amin’ny oniversite Aceem ireto mpianatra ireto. Mahatratra 340 ireo nianatra nandritra ny telo taona ary notolorana ny diplaoma « Licence ». Nianatra nandritra ny efatra taona kosa ny 57 ka nahazo ny diplaoma « Master ». Avy amin’ny lalam-piofanana « Sciences de la santé, Informatique électronique, Communication, Gestion, Droit privé et public, Droit et Sciences politiques » ireo mpianatra ireo.

Tsy mijanona hatreo ny fampanaraham-penitra ny tontolony fampianarana ao amin’ny oniversite Aceem ka nampahafantarana omaly ny fisian’ny lalam-piofanana vaovao dia ny « Economie et développement », izay ahafahana mampifandray ny fiofanana amin’ny zavatra ilain’ny firenena ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Nambaran’ny filoha mpanorina ny vondrom-panabeazana Aceem fa 70 isan-jaton’ny mpianatra mivoaka ao amin’ity oniversite ity dia mahita asa avokoa noho ny fifandraisana amin’ny orinasa sy asam-panjakana amin’ny fiofanana izay omen’ny sekoly.  Androany ny fisantarana ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroan’ny vondrom-panabeazana Aceem.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre