Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

fanamboarana kapila mangirana hosoka – Roalahy atolotra ny fampanoavana

Mpanao Dvd piraty iray no nosamborin’ny polisy, teny Andranomanalina, ny alarobia lasa teo, tokony tamin’ny 11ora atoandro tany ho any, nandritra ny fisafoana natao teny an-toerana. Nahita lehilahy mitondra sakaosy mavesatra be no sady mampiahiahy ny fihetsiny ny mpitandro filaminana ka niroso avy hatrany tamin’ny fanakanana azy ary nisava izany sakaosy izany. Tra-tehaka nandritra izany ireo Dvd mbola tsy niasa miisa 500 sy « jaquette » Safelika saison 15 maro be. Marihina fa mbola vao hivoaka adiny roa alohan’ny nahitana ireo Dvd ireo ity horonan-tsary ity. Tamin’ny famotorana azy indray no nahafahana nisambotra ny namany iray hafa teny Itaosy. Ity farany izay tra-tehaka ny polisy teo am-panaovana « duplicata » tao an-tranony. Mbola sarona niaraka taminy ny Dvd mbola tsy nias amaro be, « jaquette » gasy sy vahiny maro be, « lecteur » be dia be, « duplicateur » miisa 2 izay mahavita manao piraty miisa 300 isan’andro, « coupe papier » ary solosaina iray. Vao nampandrenesina ny zava-misy dia tonga nametraka fitoriana ny mpanatontosa horonantsary « Scoop Digital ». Atolotra ny Fitsarana androany zoma 26 febroary izy roalahy.

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre