Atsimondrano – Fongana ny taolan-dava sy ny karan-doha iray fasana
Fasana iray lehibe, teny Ambohijanaka-Gara, amin’ny distrikan’Atsimondrano, indray no lasibatra ireo jiolahy. Ny alarobia teo, manodidina tamin’ny 11ora atoandro tany ho any no tsikaritry ny fokonolona nidanadana be ilay fasana ka nampandre haingana ny tompon’andraikitra tao amin’ny fokontany izy ireo. Ny sefo fokontany indray kosa avy eo no nampilaza ny tompon’ny fasana sy ny mpitandro filaminana. Tsikaritra nandritra ny fitsirihana fa tena nikorontana ambony ambany ny tao anaty fasana ary nasavoritak’ireo olon-dratsy ny lamban-drazana nitadiavana ny taolana izay nilainy.
Fantatra nandritra ny fizahana fa ny taolan-dava sy ny karan-doha ihany no nalain’ireo jiolahy. Miisa 76 ny taolan-dava tsy hita popoka niaraka tamin’ny karandoha miisa 9.
Mbola tsy fantatra mazava ny fotoana namakian’ireo olon-dratsy ny fasana. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.
Nanao ranolava tato anatin’ny volana vitsy nifanesy ny fandrenesana trangana vaky fasana. Mahazo vahana manaraka izay ihany koa ny bizina taolam-paty.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







