67ha – Mpanendaka niharan’ny fitsaram-bahoaka
Tovolahy iray no naratra mafy rehefa niharan’ny fitsaram-bahoaka, teny amin’ny 67ha, omaly maraina. Nanendaka finday-na ramatoa iray teny an-toerana izy io no notsarain’ny mponina teny ihany. Handeha hamonjy fivavahana vao maraina, ity lasibatra, sady miresaka amin’ny olona amin’ny finday raha nosintomin’ity olon-dratsy ity izany fitaovana izany. Nikiakiaka niantso vonjy avy hatrany ilay vehivavy ka raha vao nahita izany ireo lehilahy teny an-toerana dia nihazakazaka nanenjika ilay mpanendaka.
Tsy lasa lavitra dia tratra ity farany ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany. Naratra mafy ny tarehin’ilay mpanglatra sady nijininika ny rà. Nivonto be ny molony ary mila tsy hisokatra intsony ny masony vokatry ny daroka sy vono nihatra taminy. Navelan’ireo lehilahy nandeha ilay jiolahy avy eo rehefa reraka ny nidaroka azy fa tsy niantsoana mpitandro filaminana. Naverina tamin’ny tompony kosa ny finday-ny avy eo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







