Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Be fihetsiketsehana fotsiny !

Nanaitra ny maro ny nahita an-dRavalomanana mivady nanatrika ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny sendikalisma eto Madagasikara, ny sabotsy teo teny Mahamasina. Mahagaga satria tompona orinasa no tonga manatrika ny resaka sendikaly. Raha ny tena zava-misy marina mantsy dia mifanohitra tanteraka ny tolon’ny mpiasa sy ny tetikadin’ny mpampiasa. Ho an-dRavalomanana dia tsy nisy izany sendikan’ny mpiasa izany teo anivon’ny orinasa Tiko. Izany hoe matoa tsy nisy dia natahotra ny mpiasa noho ny fandrahonana maro samihafa avy amin’ny mpampiasa. Samy tsy te ho voaroaka satria sarotra ny mitady asa dia aleon’ny mpiasa mionona amin’ny zava-misy ka tsy sahy niditra na nanangana sendika. Tsy ny Tiko irery no manao izany fa saika ny ankamaroan’ny orinasa an’ny malagasy mihitsy no tsy mahazo manangana na miditra amin’ny sendika ny mpiasa fa raha tsy izany dia voaroaka.  Ho an’ireo orinasa vahiny kosa indray dia misy ihany ny sendika saingy toa voavidy vola sy mpisolelaka ny ankamaroan’ny mpitarika azy ireny. Any amin’ny orinasa misehatra ny fifandraisan-davatra ireny ohatra dia mody fanina ny biraon’ny sendika rehefa misy mpiasa ho roahina. Tsy mba miaro ilay mpiasa hisitraka ny zony fa toa vao mainka aza mandetika sy misolelaka amin’ny mpampiasa no ataon’izy ireo . Toy izany ihany koa ny eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana izay tsy mahay miray hina fa samy miady ho amin’ny tombontsoa manokana.  Ireo rehetra ireo no entina milaza fa  karazan’ny fihetsiketsehana fotsiny ihany ny fananganana sendika eto Madagasikara. Efa 80 taona aty aoriana, tsy hita izay tena vokatra misongadina nefa isan-taona izao dia manao hetsika goavana ampisehoana fa tena mijoro sy miaro ny zon’ny mpiasa. Raha ny tena zava-misy marina anefa dia tsy misitraka ny zony ary tsy misy mpiaro amin’ny tena tokony ho izy ny mpiasa malagasy fa miaritra ny mafy sy ny mangidy araka ny sitra-pon’ny mpampiasa fotsiny ihany. Aleon’ny mpiasa miaritra ny tsy an-drariny toy izay hiditra sendika sy hametraka fitoriana dia avy eo voaroaka sy tsy mahita asa nefa tsy mahazo rariny akory. Mitaredretra be mantsy ary maharitra aman-taonany ny fizotry ny fitsarana mahakasika ny ady eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa nefa amin’ny farany dia lamandy kely fotsiny no azon’ilay mpiasa ary rehefga tena zohina dia fatiantoka no hitany satria ny asa very ary ny tambiny kely dia kely. Matetika ihany koa dia mody manaiky ny handoa ilay vola eo anatrehan’ny fitsarana ny solontenan’ny mpampiasa avy eo tsy manefa izany ka dia lasa mitohy amin’ny fifampitoriana hafa indray ny raharaha. Dia toy izany hatrany ny zava-misy ary rehefa tena anontaniana ireo lohandohan’ny mpisorona amin’ny sendikalisma eto Maqdagasikara dia tsy manana antontan’isa mazava sy misongadina entina hanaporofoana fa misy tombony tokoa ho an’ny mpiasa ny hetsika sendikaly. Porofo iray mitohoka amin’ny tendany ny nanjo ireo mpitarika ny fitakian’ny mpiasan’ny JIRAMA sy ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Ny iray tany am-ponja no nihafarany, ary ny iray very asa sy potika ny ho aviny amin’ny sehatry ny asa. Mbola nisy mpitarika hetsika ihany koa tao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra naiditra am-ponja, ary iray hafa noroahina tamin’ny asany. Atao inona fotsiny izany ny sendikalisma et amintsika ? Toa hetsika natao hanaporofoana fa mandray andraikitra ny orinasa ary manaja ny zon’ny mpiasa satria mamela malalaka ny fananganana sendika ahafahan’ny mpiasa maneho ny heviny. Raha vao misy anefa ny fampiasana izay zo izay dia fandroahana sy fampidirana am-ponja no miandry ary misy amin’ireo mpampiasa  mahavita mandany vola be hanehoana sy hanomezana lesona an’ireo mpiasa ao aminy fa atody tsy miady amam-bato ny mpiasa madinika manoloana ny mpanambola. Matahotra, noho izany, ny rehetra ka dia mifitsaka sy mionona amin’ny zava-misy.

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre