Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Fiarovana ny tontolo iainana – Milina hanapotika ireo barika nisy poizim-balala

Mba hiarovana ny tontolo iainana sy  tsy mba iparitahan’ireo barika be dia be nisy poizim-balala dia hanorina magazay lehibe, any Andranomena, Toliara, ny fanjakana. Ahiana mantsy sao dia hisy hanao bizina ireo barika ireo ka mety hitera-doza ho an’ny mponina ny fampiasana izany. Tamin’iny herinandro lasa iny no nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny vatofehizoro ho fanorenana izany magazay izany ary ho ezahina hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Hisy noho izany ny milina lehibe hanapotika ireo barika ireo ao anatin’ity magazay ity. Araka ny fantatra dia mahazaka barika hatramin’ny 550 isa amin’ireny 200 litatra ireny ity magazay ity. Marihina fa fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny FAO, izay novatsian’ny firenena Japoney vola no ahafahana hanorina izany magazay lehibe izany.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre