Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Môtô nifandona – Maty tsy tra-drano ireo mpamily roa

Niampatrampatra teny afovoan-dalana ny faty olona, tany amin’ny distrikan’i Fort- Dauphin, ny sabotsy lasa teo, vokatry ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny kodiaran-droa miisa roa. Tao amin’ny toerana antsoina hoe Soanierana, fokontany Ambatoavy ravina, kaominina Soanierana no nitrangan’izany, tokony tamin’ny 5ora hariva tany ho any. Araka ny tatitra avy amin’ny zandary dia kaporaly misotro ronono ny iray tamin’ireo namoy ny ainy. Ity farany izay avy namonjy fivavahana nanao taingin-droa no nifandona mafy tamin’ny môtô iray nifanena taminy. Ny fandehanan’ity farany mafy niaro hamamoana no antony nahatonga ny loza. Nahenoana fofona alikaolo mantsy izy io nandritra ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Vokany, maty tsy tra-drano ireo mpamily roa raha toa ka naratra mafy ilay mpandeha tao aorian’ilay kaporaly. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ny naratra ary efa manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao. Tsy misy ahiana ihany koa ny aminy. Ireo namoy ny ainy kosa efa natolotra ny fianakaviany tsirairay avy taorian’ny fizahana natao.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre