Rn2 – Fiara 4×4 nivadika, olona sivy naratra mafy
Nirongatra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena faha 2, (Rn2), nandritra iny faran’ny herinandro iny. Ankoatra ireo olona dimy namoy ny ainy nofaohan’ilay fiara tsy mataho-dalana nentin’ny karana tany Moramanga iny mantsy dia olona miisa 9 indray no naratra mafy raha nivadika ny fiara tsy mataho-dalana hafa, tany Ambodibonara, tanàna iray eo anelanelan’i Brickaville sy Toamasina. Tokony tamin’ny 4ora hariva tany ho any no nisehoan’izany. Tsy nahazo fiolanana ilay fiara ka nibolisatra ary latsaka tany an-kady, araka ny loharanom-baovao. Niezaka nisintona ity fiara tra-doza ity ihany ny fiara iray hafa marika Nissan avy tao aorianany raha nahita izany loza izany fa tsy afaka mihitsy raha tsy kamiao no nanala azy tao. Ireo naratra kosa avy eo nentina haingana namonjy ny toeram-pitsaboana ary tsy misy ahiana ny ain’izy ireo.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







