Telo lahy hafa voasambotry ny polisy
Mpanendaka telo hafa kosa no voasambotry ny polisy ny faran’ny herinandro teo. Ny iray tamin’izy ireo sarona, ny sabotsy 27 febroary lasa teo, rehefa avy nanendaka mpisakaiza teny Antanimbarinandriana, eny Anosy. Telo lahy niaraka tamin’ny antsy lava lela izy ireo ary nandrohana ka nanery ireo mpifankatia hamoaka ny entana rehetra teny aminy. Namaly anefa ilay tovolahy ka lasan-dry zalahy ny finday teny an-tanany ary lasa nandositra ireo olon-dratsy avy eo. Raikitra avy eo ny antsoantso nataon’ireo voaendaka ary tsikaritr’ireo polisy avy ao amin’ny boriboritany fahadimy izany ka raikitra ny fanenjehana azy ireo. Teny Anosy akaikin’ny radio Madagasikara vao tratra ny iray raha tafaporitsaka kosa ny namany roa hafa. Mbola tratra teny amin’ity mpanendaka voasambotra ity ny finday avy nangalariny. Fa roa lahy niaraka tamin’ny sabatra iray ihany koa no voasambotry ny polisy ny alahady vao maraina be tokony ho tamin’ny 01 ora teny amin’ny fiolanan’ny fiara makany Namontana. Fiara-karetsaka sendra nandalo no nosakanan’ny mpitandro filaminana manao fisafoana ka raha vao nijanona ilay fiara dia vaky nandositra ny iray. Tsy lasa lavitra anefa dia tratra. Araka ny filazan’izy ireo dia avy any Tanjombato izy roalahy ireto ary handeha hanendaka maraina eny amin’ny 67 ha akaikin’ny Maxim. Natolotra ny fampanoavana omaly izy telolahy ireo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







