Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Mpanendaka nifamono – Ny fokonolona indray no nanavotra azy

Raikitra ny sakoroka teo amin’ireo samy mpanendaka teny Ambodin’Isotry, omaly atoandro, tokony tamin’ny 2ora sy sasany tany ho any. Noho ny fitiavan-tenan’ ny iray tamin’izy ireo mantsy dia nifanenjika tamin’ny antsy be avy teny amin’ny 67 ha ka hatrany amin’ny tsenan’Ambodin’Isotry ireo olon-dratsy ireo. Araka ny fahitana ny trangan-javatra teny an-toerana dia efa-dahy izy ireo no mpinamana manao io asa fanendahana io. Avy nanendaka olona iray teny amin’ny tany malalaka anefa ny mpanendaka iray ka tsy nety nizara ny zavatra azony fa notazominy ho azy irery nefa mifampizara ny fifanarahan’izy ireto rehefa mahazo entana ka nahasosotra ireo namany telo hafa.

Tsy fantatra mazava anefa ny entana azon’io mpanendaka io fa tsy nomeny tamin’izany mihitsy ireo namany telo ka raikitra ny fifanenjehana ary naka antsy be-n’ny mpivaro-kena iray teny an-toerana ny iray tamin’ireo olon-dratsy nanenjika ary tratrany tao amin’ny tsenan’Ambodin’Isotry tao ilay ranamana. Raha tsy ireo mpivarotra dia kely foana no tsy namoy ny ainy izy io. Vao hanetika azy mantsy ny iray tamin’ireo namany dia nosintomin’ny mpivarotra iray teo an-tanany ilay antsy ary nilaza hoe «Mandehana eny ivelany eny ianareo raha hifamono fa tsy eto anoloan’ny fivarotako eto. » Niravina ho azy teo avy eo ny raharaha. Ireo mpitandro filaminana teny an-toerana kosa tsy nahatsikaritra na inona na inona fa variana nandamina ny fifamoivoizana.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre