Tsenam-panjakana – Foto-kevitra telo no tsy maintsy arahina
Voahaja avokoa ny fepetra rehetra hahafahana manantanteraka antsakany sy andavany ny asa hampiandraiketina ny Tale Jeneralin’ny ARMP, Philibert Tovoherihavana. Nanantanteraka ny fianianany teo anatrehan’ny mpitsara eo anivon’ny Fitsarana an-tampony ny tenany ny Talata 1 Martsa lasa teo.
Fitaovana iray mandrindra ny tsenam-panjakana eto amin’ny firenena ny ARMP. Foto-kevitra 3 no tsy maintsy arahina ao anatin’izany : mamolavola ireo rijan-teny mifandraika amin’ny Lalànan’ny Tsenam-panjakana ; manara-maso an’ireo mpampiasa rehetra ; raha misy ny fitoriana apetraky ny sehatra tsy miankina dia mandray ireo vonjy avy aminy. Maro araka izany, ireo andraikitra mbola miandry ity Tale Jeneray vaovao ity. Ao anatin’ny fangaraharahana tanteraka anefa no anatontosana izany mba hialana amin’ny kolikoly isan’ambaratongany. Misy ny fomba fitsarana na nanara-dalàna na tsia ireo famindrana. Mifototra amin’ireo foto-kevi-dehibe mifehy ny famindrana ary hamafisin’ny Fehezan-dalàna momba ny Tsenam-panjakana ao amin’ny Andininy faha-4 izany, araka izao manaraka izao : Fahafahana miditra amin’ny zavatra ilain’ny fanjakana, ahafan’ny mpandraharaha rehetra mamaly malalaka ny antso fanaikena tolobidy ; fitovian-jo amin’ny fikarakarana ireo mpifaninana, hialana amin’ny tombo sy hala ; fangaraharan’ny fomba fiasa, hametrahana mazava amin’ny rehetra fa tsy manana afenina ny ARMP ary indrindra mba hisian’ny tamberin’andraikitra amin’ireo vahoaka mpanara-maso.
Tetsy andaniny, nanamafy ny Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola, Gervais Rakotoarimanana fa tokony hisy ny fanarahan-dalàna amin’ny fampiasana ny volam-bahoaka.
Nangonin’I FR
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







