Fankalazana ny andron’ny vehivavy – Hiadiana amin’ny homamiadana
Hiavaka ny fankalazana ny 8 martsa, andro natokana ho an’ny vehivavy, amin’ity taona 2016 ity ho an’ny eto an-drenivohitra. Hisy ny fanentanana amin’ny homamiadan’ny nono sy fitiliana maimaim-poana ny vozon’ny tranon-jaza mandritra ny tontolo andro ny 8 martsa, eny amin’ny hopitaly Hjra. Hetsika izay karakarain’ny Jci Ilan’Iarivo ary novatsian’ny « fondation BOA » vola mitentina 26 tapitrisa ariary.
Vehivavy 1 500 hatramin’ny 1 800 isa isan-taona no tratran’ny tranga vaovao eto Madagasikara ka ny 30 isan-jaton’ireo dia homamiadan’ny nono ary 25 hatramin’ny 29 isan-jato homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Ankoatra ny fitiliana maimaim-poana ity farany dia hisy ihany koa ny toro-hevitra mba hahafataran’ny vehivavy fa misy zavatra ao anaty nono satria be dia be ireo voa nefa vitsy no manantona toeram-pitsaboana, noho ny fahalafosan’ny saran’ izany, izay mahatratra hatrany amin’ny 90 000 ariary ny « mammographie ».
Marihina fa vehivavy 20 taona hatramin’ny 50 taona miisa 300 efa mirona amin’ny firaisana ara-nofo no horaisina amin’io fotoana io. Ho an’izay liana, efa manomboka ny fisoratana anarana eny amin’ny « Centre franco-malgache », eny Anosy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







