Fanjakana tsy mandray andraikitra
Tsy mitsaha-misondrotra ny vidim-piainana nefa dia mangingina tsy ahitan-teny ny fitodram-panjakana. Samy manao izay danin’ny kibony sy izay saim-pantany ny seha-pihariana rehetra hahafahana mambotry ny vahoaka madinika izay tsy misy mpiaro fa lasa toy ny valala voatango ka miandry ny rariny fotsiny ary toy ny bibilava voasambotra ka tsy tanana handrangotra ary tsy togotra hitsipaka. Avo vava sy be fiavy ery ireo orinasa miantsehatra amin’ny resaka telefaonina eto amintsika tamin’iny herinandro iny raha nanao fanambarana fa tsy maintsy mampakatra ny asany sy ny vidin’ny tolotra omen’izy ireo ny mpanjifa. Ny kalitao anefa aotra ary maro mihitsy ny mitaraina fa mangalatra fahana ireny orinasa ireny. Tsy misy rahateo ny mangarahara sy ny fanaraha-maso azon’ny mpanjifa atao fa rehefa lany ho azy ao ny fahana dia lany. Raha ampitahaina amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra fa any amin’ny tany mandroso ihany koa ny saran’ny telefaonina sy ny internet eto Madagasikara dia tena lafo dia lafo nefa ny tolotra sy ny kalitaon’ny servisy aotra araka ny fomba fitenin’ny tanora. Dia tsy maintsy hampakatra ny vidin’ny fahana hono izy ireo ary dia nifanaraka mihitsy izy rehetra. Fanitsakitsahana ny lalànan’ny varotra sy ny fifaninana anefa izany satria firaisana tsikombakomba hifehy ny vidin’ny fifandraisan-davitra. Raha ny tokony ho izy dia tsy maintsy mifaninana mandroso ny sarany ambany indrindra ireo orinasa eo amin’ny telefaonina sy ny internety ireo nefa tsy izay no mitranga fa lasa miray petsapetsa hiara-hitango ny any am-paosin’ny vahoaka madinika indray izy rehetra. Dia tsy misy valaka amin’izany ihany koa ny vidin-tsolika. Mba nisy fidinany kely ihany saingy mitovy daholo eny ny vidin’ny litatra eny amin’ny mpandraharaha samihafa. Tsy misy ary tsy voahaja ny fifaninanana. Dia mangina ny fitondram-panjakana manoloana izany rehetra izany. Tsy hay intsony na miray tsikombakomba amin’ireo mpandraharaha tsy miankina, izay vahiny ny ankamaroany, na tena mialangalana sy tsy sahy mandray andraikitra tsotra izao.
Ny avo ihany eto Madagasikara no tovonana ary ny vahoaka madinika hosihosena hifotetaka amin’ny tany. Porofo iray maneho izany ny mitranga eto an-drenivohitra amin’ny alalan’ny fanaovana hazalambo ireo mpivarotra amoron-dalana sy fandroahana faobe ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina. Raha sahy hampanjaka ny lalàna ny tompon’andraikitra dia ny fitateram-bahoaka aloha no tokony ho hatsarain’izy ireo voalohany. Tsy mety mampidina saran-dalàna ireo mpitatitra na dia efa nisy fidinany be aza ny solika fampiasan’ny takisibe. Ireo fiara miasa sady tsy manaja ny bokin’andriakitra no tsy tomombana ara-penitra sy ara-tekinika. Na hatao fitondrana biby aza ny ankamaroan’ireo takisibe ireo dia tena tsy mendrika izany intsony satria tena efa simba tanteraka sy mikorontana ary maloto ireo fiara fitaterana. Ny fitondran-tenan’ireo mpamily sy resevera dia tena mirefarefa amin’ny tany ary tsy mendrika ny hiakatra eto an-drenivohitra akory. Tsizarizary ny tolotra nefa ny olona mandoa vola lafobe. Fitaka bevava ary lainga tsy roa aman-tany fotsiny ny tetikasa hampidirana fiara fitateram-bahoaka avy any Chine fa hatreto tsy nisy akory. Nofitahina ny vahoaka mba hahafahana mampankatra ny saran-dalàna nefa nony injay nidina ny soloika dia tsy nampanarahina izany ny saram-pitaterana. Dia mangina rafanjakana ary tsy mandray ny andraikiny manoloana izany fitsetsefana sy fanararaotana ny vahoaka madinika ataon’ny mpitatitra izany. Ny zavatra tsikaritra dia tsy sahy mandray andraikitra ity Fanjakana ity raha tsy hanasazy sy hanafay ary hifehy ny vahoaka madinika tsy manan-tsiny. Ny vahoaka anefa tsy mba manana maodely harahina satria raha ny fihetsik’ireo mpitondra Fanjakana heverina ho raiamandreny no tarafina dia vao maika mitarika ny vahoaka tsy hanara-dalàna.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







