Vono olona tany Toamasina – Voasambotra ireo tompon’antoka
Lehilahy iray no namoy ny ainy izay voatsatoka antsy teo amin’ny tendany, tany amin’ny toeram-pisotroana toaka, ny alin’ny alakamisy 3 martsa lasa teo, tany Ankirihiry Avaratra any Toamasina. Adiady nisy teo aminy sy ny namany niara-nisotrosotro taminy no izao niafara tamin’ny fahafatesana izao.Taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy tany an-toerana ireo nahavanon-doza dia fantatra amin’izao fotoana izao fa efa voasambotra ny roalahy tompon’antoka tamin’izany ary misy vehivavy ihany koa tafiditra amin’ity raharaha ity. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana natao ka amin’ity herinandro ity no hiakatra fampanoavana ny raharaha. Manoloana ilay trano fisotroana indray dia nandray fepetra ny mpitandro filaminana amin’ny fanakatonana izany satria ao daholo no mivory ireo mpanao ratsy rehetra any Toamasina, araka ny loharanom-baovao marim-pototra. Betsaka ireo olona mankasitraka izany fanapahan-kevitra izany saingy tsy ny fanakatonana izany toerana izany ihany no vahaolana hoy izy ireo fa « Ny fisamborana sy fanidiana ireo jiolahy any am-ponja mihitsy no tokony atao mba hampilamina ny tanàna. »
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







