Fort Dauphin – Mpitandro filaminana…tsy misy fanahy ?
Fihetsika feno habibiana, toy ny olona tsy misy fanahy ireo mpitandro filaminana nahavita namono ity tovolahy iray tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo iny, tany Tanamasy Manambaro, distrikin’i Fort Dauphin. Notapahina tamin’ny famaky ny lohany ary nipitika niala ny vatan-tenany mihitsy izany, araka ny vaovao voaangona. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny tena nahatonga ny famonoana. Ny solontenan-panjakana any amin’ny Faritra Anosy rahateo, tsy hahenoina feo mihitsy hatramin’izao. Fantatra tamin’ny loharanom-baovao fa nasainy nalevina ny vatana mangatsiakan’ilay lasibatra ; ny lohany kosa nentin’ireo mpitandro filaminana niaraka taminy tsy hay hoe atao inona.
Manoloana ity trangan-javatra mampalahelo ity dia very hevitra tanteraka ireo mponina any an-toerana amin’ny fanapara-pahefana ataon’ireto olona nomem-pahefana amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ireto. Manginy fotsiny mantsy ny ramatohora ataon’ireo mpitandro filaminana, indrindra amin’ireo mponina eny ambanivohitra ka tsy hain’izy ireo intsony hoe iza no hametrahana ny fitokisany. Ary ny fihetsika tahaka izao no isan’ny mahatonga ny fahatezeran’ny vahoaka amin’ireo manam-pahefana ireo, toy ny nitranga tany amin’ny distrakan’i Maroantsetra vao tsy ela akory izay.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







