Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

67ha – Very lanja ny fanahy fahendrena

Tovolahy iray no namoy ny ainy vokatry ny hetraketrak’ireo mpanendaka. Teny 67 ha ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo no nitrangan’izany famonoana izany, tokony ho tamin’ny 2ora maraina tany ho any. Nandeha nisotro toaka niaraka tamin’ny namany tao amin’ny toeram-pisotroana iray teny an-toerana ilay tovolahy tamin’io fotoana io ary rehefa hadiva ho maraina ny andro dia nanapa-kevitra ny hamonjy fodiana izy. Teny amin’ny lalana hihazo ny trano fonenany iny indrindra no nipoitra tampoka ny andiana mpanao ratsy nanakana azy. Olona roa nanakana azy avy eo aloha ary telo kosa avy ato aoriana niaraka amin’ny antsy lava lela.

« Nandrahona azy hamoaka ny vola sy ny fananany tany aminy angamba ireo olon-dratsy saingy tsy nety nanome ilay tovolahy ka notsatohan’ny iray tamin’ireo jiolahy antsy avy aty an-damosina avy hatrany. Voa mafy ary nitolefika tamin’ny tany avy hatrany ilay tovolahy ary ireo jiolahy kosa nandositra », hoy ny loharanom-baovao avy amin’ireo nahatazan-davitra ny trangan-javatra.

Nifamonjena nentina tany amin’ny hopitaly Hjra ilay tovolahy avy eo saingy tapitra teny an-dalana ny ainy. Avy any Sambava izy ary nalefa omaly maraina, any an-tanindrazana ny razana.

Teny an-toerana ihany, atahorana mafy koa ny ain’ny tovolahy iray izay voatery manaraka fitsaboana eny amin’ny Hopitaly HJRA. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo ary mitovitovy ny fizotran’ny fanendahana. Ahiana ho ireo andian-jiolahy ireo ihany no mbola nahavanona ny loza. Voa teo amin’ny tenda sy tanana ary kibo indray mantsy ity tovolahy iray.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre