Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

4×4 nandona bisikileta – Naratra mafy ilay mpamily ny fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena Rn6, ny alin’ny zoma lasa teo, tamin’ny misasak’alina tany ho any. Mpamily fiara tsy mataho-dalana iray no naratra mafy. Avy any Antsiranana hihazo ny renivohitra ity fiara ity no tra-doza tampoka rehefa tonga teny Mampikony. Tapaka ny hisatrany  ka nifatratra teny amin’ny bisikileta iray nijanona teo amoron-dalana, teo amin’ny sampanan’ny Makodihy. Naratra mafy ilay mpamily vokatry ny fahavakisan’ny fitaratra teo aloha izay niantefa avy hatrany teny amin’ny tarehiny izay tena rotidrotika tokoa. Noentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany izy. Tsy atahorana kosa ny ainy.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre