Toamasina – Trano enina kila hotohoton’ny afo
Nitrangana hain-trano mahery vaika tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tokantrano miisa 6 no may kila firehitra, tao amin’ny fokontany Tsarakofafa Mangarivotra Atsimo vakim-paritra 21/54. Tsy fantatra mazava ny niatombohan’ny fahamaizana fa antony nahatonga izany ny fifampikasohan’ny herinaratra, araka ny feo mandeha. Niainga tao amin’ny tokantrano iray ny lelafo ary niparitaka tamin’ireo tokantrano mifanilambodirindrina taminy. Niparitaka vetivety ny afo satria vita amin’ny hazo avokoa ireo trano ireo.
Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo mpamonjy voina vao nampandrenesana ny loza. Nifandrimbona namono ny afo ireo mponina mandra-pahatonga azy ireo. Tsy nisy ny aina nafoy fa lasa lavenona avokoa ny entana rehetra sy ny vola. Samy nikoropaka namonjy ny ainy ireo lasibatra ka tanam-polo no nentina nivoaka ny trano. Tombanana any amin’ny an-tapitrisany maromaro ny teti-bidin’ny fahamaizana. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







