Fanaparam-pahefana – Mpamily iray nofatoran’ny polisy rojo vy
Miseho lany ny ramatahora sy ny fanaparam-pahefana ataon’ireo mpitandro filaminana eto Madagasikara. Raha tovolahy iray mantsy no maty tapa-doha notapahin-dry zalahy ny famaky vao tsy ela izay, tany Taolagnaro dia mpamily fiara karetsaka indray no lasibatra tamin’ity indray mitoraka ity. Nosakanan’ny polisy ity farany rehefa mba nangataka lalana. Tsy nety nanome ny taratasin’ny fiara nentiny izy raha notakiana izany ka nofatorany tamin’ny rojo vy, teo amin’ny familiana ny tanany.
Gaga tamin’izany fihetsika izany ireo nanatri-maso satria nampitoviana tamin’ny mpangalatra ilay mpamily. Endrika ivelany hisehoan’ny tsy matoa teny fahamatoran’ny mpitandro filaminana izao zavatra izao satria efa leo ny fanaparam-pahefana sy ny tsolotra takiana ireo mpitatitra, hany ka lasa mamaly ireo manam-pahefana. Ireto farany koa lasa mampiatra ny fahefana ananany satria mamaly ny olona. Teny Andraharo, no nisehoan’izany.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







