Sampana Fanantenana – Vehivavy 400 nahazo fanampiana
Fokontany maromaro manerana ny Boriboritany faha dimy no nanatanterahan’ny Sampana sosialy Fanantenana ao anatin’ny FAFI V fanampiana, omaly maraina. Vehivavy sahirana, mpanasa lamba sy mpitsindroka fako miisa 400 eo ho eo no notolorana vola nentina nankalazana ny andro maneran-tany hoan’ny andriambavilanitra. Nanentana ny amin’ny fahalalana ny zo ka tsy ho kofehy manara-panjaitra intsony amin’ny asa sy ny adidy takina amin’ny maha olona sahirana azy ireo, Ramatoa Hanitrinialala Raholdina.
Manaporofo ny fahasahiranana, indrindra ho an’ny renim-pianakaviana Malagasy ny fahitana ny maro amin’izy ireo miasa amin’ny andro natokana hoan’ny vehivavy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Sampana Fanantenana ihany ka mendrika azy ireo ny tohanana sy ankaherezina.
Kambana 3
Isany notsidihan-dramatoa Hanitriniala Raholdina mivady sy ny mpiara-miasa aminy ihany koa ny renim-pianakaviana iray vao teraka kambana telo : Miangaly, Miangola ary Miangoty, teny amin’ny boriboritany fahadimy, izay notolorany fanampiana manokana toa ny rononon-jaza, eau vive pack 1, couches, savony iray baoritra sy kojakojam-pitafiana maro samihafa ilaina ho amin’ny fikarakarana ireo zaza kambana telo ireo.
Mia
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







