Mpanendaka nandroba polisy – Maty voatifitra ilay jiolahy
« Voalavo sasatra ny miaina, saka matory no alam-bolombava », izay no azo ilazana ilay mpanendaka nikasa handroba polisy tany Toamasina omaly. Tsy hay ny tao anatin’ny lohan’ilay mpanendaka fa ny mpitandro filaminana avy no tsy ahaizana miaina. Handeha hamonjy fodiana ny atoandro ity farany no nifanehitra tampoka tamin’ny mpanao ratsy iray, teny amin’ny elakelan-trano hihazo ny toeram-ponenany. Toy ny efa niandrasan’ity jiolahy ity mihitsy izy, araka ny loharanom-baovao. Nikasa handroba ny fitaovam-piadiana teny aminy angamba fa novelesiny tamin’ny hazo be avy hatrany izy. Vaky ny lohany ary nijininika ny ra. Tsy nahatana azy tsy hanohitra anefa izany ka naka ny basy poleta teny amin’ny valahany avy hatrany izy ary nitifitra ilay olon-dratsy. Vokany, maty tsy tra-drano ity nilaza azy ho mahery. Ilay mpitandro filaminana kosa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







