Antanimena – Mpianatry ny CEG roalahy sarona nifoka rongony
Ho famongorana ny ady atao amin’ny fidorohana zava-mahadomelina, olona enina no voasambotra teo am-pifohana rongony ka ny roalahy amin’ireo mpianatry ny CEG eny Antanimena.
Tovovavy iray 25 taona no voasambotra teo am-pifohana rongony, teny Soarano, ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina, nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Nambarany tamin’ny fakana am-bavany azy ny toerana fividianany rongony sy ny lehilahy mpamatsy azy eny Behoririka. Tratra ilay mpanaparitaka izany zava-mahadomelina izany ny androtr’io ihany, niaraka tamin’ny fonosan-drongony miisa 11, taorian’ny velam-pandrika natao azy.
Tsy nijanonana teo fa nitohy hatrany Antanimena ny fisafoana, tratra teo am-pifohana ny mpianatry ny CEG roalahy. Saron’ny polisy niaraka tamin’izy ireo teny amin’ny trano rava eny an-toerana ny rangahy iray mpivarotra rongony sy ramatoa iray manampy azy mivarotra. Eny IVO Antohamadinika no fakana ny entana, araka ny filazan’ izy ireo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







