Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Lohalaharana amin’ny fihemorana

Tongo-bakivaky koa sady maharary no mahamenatra! Io no aza anambarana ny zava-misy eto Madagasikara mikasika ny fidiovana sy ny fanadiovana. Nosokajian’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana miahy ny reny sy ny zaza (UNICEF) ho firenena laharana fahefatra maneran-tany amin’ny loto mantsy ity firenena ity. Tsy nahagaga io laharana io raha ny zava-misy no jerena satria tena efa iaraha-mahita ny zava-misy. Na eto an-drenivohitra aza dia tsy vitan’ireo tompon’andraikitra ny mitondra  fanadiovana ny tanàna. Mbola misavovona ny fako ary maimbo tsy misy iainana ny tanàna amin’izao vanim-potoana izao. Ifanilihana hatrany ny resa-bola sy ny andraikitra ary samy milaza azy tsy ho diso ny eo anivon’ny kaominina sy ny fitondram-panjakana foibe. Maloto tanteraka ny renivohitra ary tsy misy ny fotodrafitrasa. Lasa fitadiavam-bola rahateo ny fivarotana sy fananganana ireny toeram-pivoahana manara-penitra ireny ka tsy takatry ny ankamaroan’ny olona. Misy ihany  ireo fanentanana ary tena lasa dridrangilo matetika mba hisarihana ny sain’ny maro tsy hanao maloto sy tsy handoto an-kalamanjana nefa tsy misy ny tantsoroka momba izany. Lasa fitadiavana famatsiam-bola fotsiny mba hanakaramana ny vazaha tsy an’asa any ivelany any ka alefa aty amintsika ny fanaovana tetikasa fanamboarana fotodrafitrasa fidiovana sy fandiovana fa tsy mitondra vokatra maharira akory. Tsy mahagaga izany zava-misy rehetra izany satria ny an’ireo vondrona milaza ho mpanao asa soa vahiny sy ireo mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-tekinika dia tsy manao afa-tsy izay sitrapony sy izay saim-pantany ary tsy mitsinjo ny tombontsoan’ny malagasy izany.

Nilaza ny Filoham-pirenena fa taonan’ny fanadiovana sy ny fidiovana ny taona 2015 nefa nony tonga ny volana desambra dia nodiany tsy tsaroana izany. Tsy nisy fandiovana izany teto Madagsikara, satria vao maika aza niharatsy ny vokatra nony injay nitsidika ny taona 2016. Vao maika nanaporofo ny tarehimarika navoakan’ny UNICEF fa tena tsy mamokara ity fitondrana mijoro ity. Betsaka ihany izay fampanantenana natao izay fa toa vao maika miha mikorosy fahana ny firenena. Sady ao anatin’ny lisitry ny firenena 5 mahantra indrindra i Madagasikara no mbola voasokajy ho maloto sy voretra indrindra ihany koa. Singa maneho ny taratry ny fahantrana lalina izany rehetra izany. Tsy ara-bola ihany ny fisehon’ny fahantrana fa miitatra any amin’ny toe-tsaina ihany koa. Andrim-panjakana miisa roa no mikorontana amin’izao fotoana izao dia ny Antenimieram-pirenena sy ny Governemanta. Samy tsy mankasitraka ny filohany intsony ireo solombavam-bahoaka sy minisitra ka mitady izay fomba rehetra hanonganana izany. Ao anatin’ny fotoana fanaovana tatitra eny anivon’ny vahoaka ireo depiote no mitady hanongana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena. Mazava ho azy fa hifantoka betsaka amin’ny fanovàna ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ny fivoriana ara-potoana voalohany eny Tsimbazaza amin’ity taona ity. Raha toa ka mbola tsy miova ihany koa ny governemanta dia tsy maintsy hiditra amin’ny fitsipaham-pitokisana ihany koa izy ireo. Ny tena loza dia ireo solombavam-bahoaka sy minisitra manohana ny fitondram-panjakana no tena manao ny fomba rehetra hanonganana ny lehiben’ny governemanta sy ny filohan’ny Antenimierampirenena. Raha atao jery tokana dia toa ny filoham-pirenena mihitsy no te hanolo ireo lehiben’Andrim-panjakana roa ireo saingy tsy sahy manao izany noho ny antony maro samihafa. Mety kokoa ary tsy manaratsy endrika ny filoha raha ireo tompon’andrikitra olom-boafidy sy olom-boatendry manohana azy no maka ny fanapahan-kevitra handrodana ireo tiana ho soloina.

Tsy madio anefa izany toe-tsaina sy fomba fiady izany ary mitovy amin’ny fomban’ny kanosa. Efa malaza ho vahoaka voretra hatramin’izay ny malagasy ary havanana amin’ny politika maloto koa tsy mahagaga raha tonga amin’ny laharana fahefatry ny firenena maloto indrindra maneran-tany. Henatra

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre