Didy Ambatondrazaka – Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana
Miaina ao anatin’ny tebiteby amin’izao fotoana izao ireo vahoaka ambanivolon’i Didy. Mirongatra izay tsy izy ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo jiolahy. Notafihan’ireo jiolahy tamin’ny fiandohan’ity volana martsa ity ny mpivarotra iray ka lasa ny volabe manodidina ny 3 150 000 Ar, naratra voatifitra ihany koa ilay rangahy tompon-trano. Natao ny fikarohana sy fisamborana ka olona 9 mianadahy no tratra . Anton’ny fanafihana dia ny valifaty, noh ny olna nisy teo amin’ny roa tonta. Niaiky ny heloka vitany izy ireo, hoy ny fanazavana. Miaina ao anatin’ny tsy fandriampahalemana tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao, araka ny loharanam-baovao avy any an-toerana ka miantso ny mpitondra mba hijery akaiky azy ireo. Isan’ny mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana ny fahasarotan’ny làlana mampitohy an’i Didy sy Ambatondrazaka, ka tokony mba hojerena ihany koa. Isan’ny kaominina mamokatra raha ny kaominin’i Didy fa maro ireo vokatra tsy tafavoaka, noho ny faharatsian’ny làlana izay hatrany.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







