Masoala – Vehivavy roa maty navadiky ny botry
Vehivavy roa no namoy ny ainy vokatry ny loza an-dranomasina niseho tany Masoala. Sambo kely iray avy any Mananara, nitondra mpandeha ho any Masoala no fantatra fa rendrika ny andron’ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny 8ora maraina. Mbola tsy misy anarana fa sambany vao niasa ity botry ity izao tra-doza izao. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, voalaza fa antony nahatonga ny loza ny tsy fifandanjan’ny lanja teo amin’ny mpandeha sy ny entana tao anatiny. « Tsy feno olona ity fitaovam-pitanterana ity. Niainga avy tany Mananara ka nijanona teo amin’ny tanàna kely iray nanondrana simenitra. Tsy nampidirina tany anatin’ny toerana fasiana entana anefa ireo entana ireo fa natao teny ambony amin’ny toerana misy ny mpandeha ihany ka lasa tsy nifandanja ny lanja », hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Nanampy trotraka ihany koa ny fahavesaran’ilay motera satria ireny fampiasa amin’ny lamasinina fitotoam-bary ireny no nampandeha ity botry ity. Lasa nitsingevana teny ambony ranomasina teny ity farany. Niafara tamin’ny fahavakisan’ny rindrin’ilay botry ary nitarika ny faharendrehana. Miisa 16 ireo mpandeha tao anatiny ary avotra avokoa. Tokony tamin’ny 12 ora atoandro anefa, vehivavy roa hafa no hita faty. Tovovavy sahabo eo amin’ny 30 taona eo ny iray tamin’ireo namoy ny ainy, ary tany Masoala no hita ny vatana mangatsiakany, ny alakamisy atoandro ihany. Tsy nisy nahafantatra kosa momba azy. Vehivavy 60 taona kosa ny faharoa hita faty tany Mananara harivan’io hatrany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







