Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Mpianatra ho polisim-pirenena – Tafapetraka ny andiany « Mahery »

Tontosa omaly teny amin’ny sekoly ambonin’ny polisim-pirenena, eny Ivato, ny fametrahana ambany faneva ireo mpianatra ho kaomisera sy « officier de police », misalotra ny anarana andiany Mahery, rehefa nahavita ny fiofanana fototra na ny « Formation commune de base ». Roapolo ireo nisafidy ny ho kaomisera ka vehivavy ny roa ; vehivavy ihany koa ny dimy amin’ireo telopolo nianatra momba ny « officier ». Nankahery azy ireo ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inpektora jeneralin’ny polisy Randimbisoa Blaise Richard manoloana ny andraikitra miandry ny polisim-pirenena amin’ny fanantanterahana ny asany dia ny fitandroana ny filaminana izay anisan’ny vaindohan-draharahan’ ny polisy izay mahakasika ny fanakaikezana ny vahoaka. « Mila voafehy ny zavatra atao amin’ny fanarahana antsakany sy andavany ny fampianarana omen’ireo mpanabe sy ireo lehibe am-perin’asa mba hahafantarana ny pitsopitson’ny asa izay antoky ny fandrosoan’ny firenena. Ny hery tsy mahaleo ny fanahy ka anisan’izany ny toe-tsaina sy ny soatoavin’ny polisim-pirenena izay mitaky toetra sy andraikitra maro mamaritra ny fanahy  maha olona eo anivon’ny polisim-pirenena », hoy ny Minisitra nandritra ny lahateniny. Nisy ihany koa ny fampatsiahivana ireo vina napetraka dia ny fiadiana amin’ny kolikoly amin’ny endriny rehetra, ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana ary ny fiadiana sy famongorana ny asan-jiolahy.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre