Sabotsy Namehana – Sprinter nivoaka ny lalana, olona 2 maty voafaoka
Namoa-doza indray ny fiara marika Mercedes Sprinter. Nivoaka ny lalana ary nifatratra tamin’ny toeram-pivarotana mofomamy manamorona ny arabe ny takisiborosy iray mpitatitra olona avy any Anjozorobe, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 3ora tany ho any, teny Sabotsy Namehana, teo ampitan’ny Gastro pizza. Tsy fantatra mazava ny tena nahatonga ny loza fa tapaka hisatra ilay fiara hoy ireo nanatri-maso ny trangan-javatra, izay toa tsy nitombina ihany satria nandeha lala-mahitsy ary somary niakatra kely fa tsy midina akory ilay fiara.
Misy kosa ireo milaza fa reraka ny mpamily. Na izany na tsy izany aloha dia voafaoka mafy ireo mpandeha an-tongotra telo satria voapotsitra teo anelanelan’ny fiara sy ny korontam-biriky tamin’ilay trano ka niezaka nanavotra sy nitondra tany amin’ny hopitaly azy ireo, ireo mpandalo teny an-toerana.
Namoy ny ainy teo noho eo ny iray tamin’ireo, araka ny filazan’ireo nanatri-maso ny loza, raha toa ka tany amin’ny hopitaly ny faharoa. Naratra fotsiny kosa ilay fahatelo. Vaky nandositra kosa ilay mpamily ny taksiborosy vantany vao niseho ny loza. Natahotra ny iharan’ny fitsaraham-bahoaka angamba ! Maro ny fahasimbana naterak’ity lozam-pifamoivoizana ity. Nirodana ny rindrin’ilay toeram-pivarotana ary potipotika hatramin’ny varavaram-pitaratra raha toa ka nahitana fahasimbana kely fotsiny ny lohan’ilay fiara.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







