Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Tsy fanjarian-tsakafo – 47,3 % ny zaza latsaka ny 5 taona no tratrany

Mbola olana lehibe eto Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. 47,3 isan-jaton’ny zaza latsaka ny 5 taona no tena tratrany, araka ny tatitra avy amin’ny Omd tamin’ny 2014, izay lasa misy fiantraikany amin’ny fivoaran’ny vatana sy ny fisainan’ny ankizy. Eo ihany koa ny famokarany any aoriana ary ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza.

Manoloana izay indrindra dia nanantanteraka fivoriana, teny amin’ny hôtel Le grand Melis, ny alakamisy lasa teo, ireo mpikambana samihafa amin’ny faritra 9 misy ny vovonana Hina eto Madagasikara. Fotoana nahafahana nanamafy ny fahaiza-manao sy ny traikefa amin’ny lafiny soson-kevitra natao tamin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Ny vovonana Hina izay hivondronan’ny fikambanana miisa 250, toy ny PSI Madagascar, Care international, CRS, Water Aid…

« Mijoro ho tompon’andraikitra sy handray andraikitra amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara, noho ny fahatsapana ny vovonana Hina. Tsy anjaran’ny fanjakana irery ny ady atao fa maro lafy. Miasa amin’ireo fikambanana tsirairay ny anjara andraikitry ny vovonana. Izany hoe, manome antontam-baovao tsara ho fantatra mahakasika ny ady atao amin’izay tsy fanjarian-tsakafo izay amin’ny fandrindrana ny asan’ny fiarahamonim-pirenena », hoy i  Razafimandimby Andriamandranto, Filohan’ ny filan-kevim-pitantanana ny vovonana Hina.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre