Miady an-trano ny mpitondra
Tao anatin’ny tapa-bolana mahery izay dia nifantoka betsaka tamin’ny fifandirana mikasika ny fitrandrahana ny harem-pirenena ny adihevitra teo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny fianam-bahoaka amin’ny ankapobeny. Voakasik’izany ny fitrandrahana vato any Ilakaka sy Anjozorobe izay misy resaka vono olona sy fanaparam-pahefana ary fisaraham-bazana eo amin’ny samy mpiray fiaviana. Misy vondron’olona mihitsy sahy mihantsy ny filoha sy ny fitondram-panjakana ary mpitandro filaminana amin’ity raharaha ity. Samy mitonona ho manana ny rariny avokoa ny mpifanandrina rehetra ary samy manizingizina fa vonona hiady ary tsy hanaiky lembenana fa samy hampiasa ny hery hananany avy. Toy izany ihany koa ny resaka fanondranana andramena satria toa ny samy mpitondra nifandimby sy ny samy ao anatin’ny fitondrana ankehitriny indray no mifanenjika sy mifampiampanga. Samy milaza ho manana porofo sy vonona ny hiatrika famotorana raha misy ny fanadihadiana nefa rehefa tena dinihina dia samy tsy nahavita ny andraikiny tamin’ny fanakanana ny fanapahana ireo hazo sarobidy sy ny fanondranana izany tany ivelany. Tsy tonga ho azy tany Singapour ireo andramena maro be fa tsy maintsy notapahina tany anaty ala, dia nobataina naka arabe, avy eo nakarina tany anaty kamiao, ary nentina namonjy sisin-dranomasina dia naondrana an-tsambo. Olona an-jatony no tsy mantsy nisahana izany asa rehetra izany nefa dia lazain’ny fitondram-panjakana fa tsy fantany ny fisiany raha tsy tonga any Singapour. Ry zareo samy mpitondra indray no mifanilika amin’izao fotoana izao.
Lasa fototr’ady sy miteraka fifankahalana miaro fifanenjehana ny harem-pirenen’i Madagasikara ankehitriny. Sady lasan’ny mpijirika sy mpanao trafika, maimaim-poana satria tsy misy vola miditra ho an’ny vahoaka, no mbola miteraka savorovoro ihany koa. Vao tsy ela akory izao no nisy tarehimarika nivoaka fa mahatratra aman-taonina isan-taona ny volamena voatrandraka eto Madagasikara nefa tsy ampy 10 kilao akory no mba nahazoana tatitra mazava. Midika izany rehetra izany fa tena misy gaboraraka ny fitantanana ny harem-pirenena ary tsy ampy fandraisana ny fitondram-panjakana. Ny mpandraharaha tsy miankina hatrany, indrindra ireo malagasy, no soketaina ho mpanao trafika nefa ny fitsipi-dalao mihitsy no tsy mazava eto amintsika. Rehefa ny vahiny no maka ny harem-pirenena sy mamoaka izany an-tsokosoko dia tsy misy mpahita sy vitavita ho azy any, fa rehefa ny mpandraharaha malagasy no mijoro hifaninana amin’ireny vahiny ireny dia soketaina ho mpanao heloka bevava ary enjehina sy alaim-baraka amin’ny fomba rehetra hanapotehina azy ireny.
Efa novakian’ny sampan-draharaha miady amin’ny famotsiam-bola (SAMIFIN) bantsilana fa misy dia misy tokoa ny tambazotra mpamoaka ny volamena sy ny devizy ary ny andramena mankany ivelany nefa zara raha misy ny tatitra ataon’ny tompon’andraiki-panjakana. Ireto farany nefa milaza fa tena miasa ho an’ny fanasoavana ny firenena sy ny fampandrosoana ny fiainam-bahoaka. Sarotra ny hino fa handroso ity firenena ity raha mbola toy izao ny zava-mitranga. Farany teo izao dia vaky am-batolampy ny tsy fifanarahana misy eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka izay tsy manafina intsony ny fisian’ny fitsitokotokoana anatiny fa samy mandeha samy mitady. Hifaninanana ny mivoaka any ivelany sy ny miseho fa tena mahavita azy nefa toa resa-be fotsiny izany rehetra izany. Tamin’ny andro nilazan’ny lehiben’ny governemanta fa tonga eto amintsika ny mpandraharaha vahiny hitondra vahaolana amin’ny delestazy mihitsy mantsy no tapaka ny jiro tamin’ny faritra manerana an’Antananarivo. Mampiseho izany rehetra izany fa tena tsy mahafehy ny fitantanana ny firenena intsony mihitsy ny mpitondra Fanjakana ankehitriny ary mila mitady vahaolana hainga satria miharatsy hatrany ny zava-misy eto Madagasikara.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







