Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ambohimanambola – Maty nilomano ilay tovolahy

Tovolahy iray sahabo ho 20 taona eo ho eo no maty an-drano, teny amin’ny By-pass, manoloana ny fiodinan’ny fiara, eny Ambohimanambola, ny sabotsy lasa teo. Andian-jatovo maromaro izy ireo no niaraka ary nilaza fa nafana ka lasa niroboka teny anaty rano  nilomano. Tampoka anefa tsy nivoaka intsony izy rehefa samy variana nilalao rano nanao ankisitrika. Nikoropaka ireo niaraka taminy nitady azy fa tsy hita izay nanjavonany. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ireo niaraka taminy avy eo ka nifanome tanana nikaroka azy ireo vatan-dehilahy maromaro teo an-toerana. Naharitra fahefan-kadiny ny fikarohana vao hita izy ary nampiakarina teny amoron-drano.

Mbola niezaka namelona azy, ireo olona rehefa tafakatra izy nefa indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Avy any Antanifotsy distrakan’Antsirabe ny fiavian’ity namoy ny ainy ity. Nentina nihazo izany toerana izany ny razana omaly.

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre