Ampasampito – Ramatoa iray safotra ny hanoanana
Tato ho ato, tsy hay na vokatry ny hafanana midangana loatra na aretina mitaiza no mihetsika tampoka na noho ny hanoanana, fa maro ny olona safotra eny an-dalana amin’izao, ary vehivavy avokoa izany matetika. Tahaka ny tranga iray teny Ampasampito, ny sabotsy maraina lasa teo.
Renim-pianakaviana iray 28 taona mitaiza kely no hitan’ny olona safotra manoloana ny fiantsonan’ny takisibe teny an-toerana. Efa ny zanany mitomany no nahataitra ny manodidina. Noezahina novelomina ilay ramatoa ary nisy tamin’ireo nanatri-maso no nihevitra fa voan’ny androbe izy, ka naka zava-maitso ary nanimpy izany teny aminy, satria nifotafota nivoaka faroratra fotsy ny vavany. Vetivety ihany dia nahatsiaro tena izy ka tamin’izany nilazany fa noana ny tenany. Avy any Arivonimamo izy mianaka ireo fa noroahin’ny vadiny ka tsy misy hivantanana ka mirenireny sisa, araka ny fanambarany. Niezaka nanome izay voatsirambin’ny tanany, noho izany ireo fokonolona niantra ity vehivavy ity sy ny zanany kely.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







