Fiarovana ny tontolo iainana – Nanantanteraka fambolen-kazo ny Enam
Samy mahatsapa ny tsirairay fa efa mihanaka manerana izao tontolo izao ny voka-dratsy aterakin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Manoloana izany, hatramin’ny nanombohan’ny taona 2016 dia samy miezaka mamboly hazo avokoa na ny ministera na ny fitondram-panjakana, eny na ny fikambanana maro lafy amin’ny fahatsapana fa mety hiteraka tsy fahampian’ny orana ny tsy fisian’ny ala. Nanantanteraka ny anjarany ireo ao amin’ny fikambanana « Auditeur cycle Expertise de l’Enam (ACEE) », ny andron’ny zoma 11 martsa lasa teo, tany Ambohimanga Rova. Ho fiarovana indrindra ny tontolo iainana izay efa marefo dia marefo tokoa mba hanatevenana ny ala efa misy ny anton’izany. Notsongaina manokana iny toerana iny, noho izy manan-tantara ka mba hisy ala maitso ho lovain’ny taranaka any aoriana. Zana-kazo « sapin » miisa 400 no novolen’izy ireo, noho izy mora karakaraina sy mora maniry. Tsy hijanonana hatreo anefa fa hisy ny fanaraha-maso ireo zana-kazo ireo izay efa nifanarahan’ny ACEE amin’ny fokontany any an-toerana.
Notontosain’ny mpianatra rehetra ao amin’ny Enam tamin’io andro io ihany koa, ny fiarahabana ny Tale jeneraly vaovao Rabetahina Pascal Pierrot, teny amin’ny « espace Vohitra Paradisa ». Ity farany izay nilaza fa vonona ny hiara-hiasa amin’ny rehetra satria tsy vitan’ny olona iray ny asa ao amin’ny Enam fa ilana fampivondronana ny hery sy ny fahalalana ary ny fahaizana mba hitondrana avoavo ny sekoly. Atao laharam-pamehana maika, hoy hatrany ny Tale jeneraly, ny famatsiana tambazotra « Wifi », ny fanatsarana ny lafin’ny informatika ary indrindra ny lafiny pedagojika mba ho fampiroboroboana ny asa.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







