Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Maevatanana – Maty nianjeran’ny trano ilay vehivavy

Nirodana tampoka ny trano haolo iray, tany  Morafeno, fokontany Mangasoavina, kaominina Andriba, any amin’ny distrakan’i Maevatanana, ny zoma 11 martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora hariva. Nikorisa tamin’ny trano iray teo akaikiny ilay trano efa tranainy ka tototra tao ny ramatoa iray 39 taona. Nampandre ny tompon’andraikitra avy hatrany ny mponina fa niezaka nisikotra ilay vehivavy tao anaty tany ireo fokonolona mandra-piandry ny fahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Hita ihany izy fotoana fohy taorian’ny nikarohana azy saingy efa tsy nisy aina intsony. Mbola niezaka nanao izay fara heriny hamelomna azy ireo mponina ary nanao ny fizahana avy hatrany koa ny mpitsabo ao amin’ny CsbII Andriba rehefa tonga teny an-toerana. Natolotra ny havany ny razana taorian’izay.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre