Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Takisibe nifanenjika – Mpitaingina bisikileta voahitsaka nipotsaka hatramin’ny ati-doha

Nampiteny azy indray ireo mpamily taksibe amin’ny fandehanana mafy loatra vokatry ny fifanenjehana eo amin’ireo samy fiara mpitatitra. Namoy ny ainy ny tovolahy iray vao 22 taona, noho ny hetraketraky ny mpamily fiara fitanterana iray, teny Mandroseza, ny sabotsy atoandro lasa teo. Fantatra fa nifanenjika tamin’io fotoana io ireo Takisibe roa manao zotra 192. Nirimorimo mafy tsy nisy ohatra izany ny iray nikasa hisongona ny mpifanandrina taminy. ary niala mba hanome lalana azy ity farany rehefa nitady ho voasongona. Tamin’iny fotoana iny indrindra no nandona ny tovolahy nitaingina bisikileta ka voadonany, izay tena tsy nampoiziny tokoa satria mafy dia mafy ny dona. Vokany, nipotsaka hatramin’ny ati-dohan’ilay niharan-doza ka maty teo no ho eo izy. Tena niteraka hatezerana tamin’ireo olona izay nahita maso ny zava-nitranga izany ka saika niafara tamin’ny fitsaraham-bahoaka mihitsy.

 

Mpandeha 25 hafa naratra teny 67ha

Mpandeha miisa 25 koa no naratra teny 67ha Atsimo, ny sabotsy maraina, tokony tamin’ny 10 ora, izay vokatry ny fandehanana mafy ataon’ireo takisibe hatrany. Namoa-doza tamin’ity indray mitoraka ity ny iray amin’ireo Zotra 143 mampitohy Analakely sy Itaosy indray. Niala kodiaran-droa ity fiara fitaterana ity ary nifatratra teny amin’ny andrin-jiron’ny Jiro sy Rano malagasy rehefa avy naka olona teo amin’ny fiantsonana « 30 » hihazo an’Itaosy. Tapaka telo mihitsy izany andrin-jiro izany, noho ny dona mahery vaika. Vokany, naratra avokoa ireo mpandeha rehetra. Tena voa mafy tamin’izany ny mpamily( izay voatery nosokirina) ireo tao aorinany ,ireo teo aloha ary ireo tany amin’ny farany. Nisy ihany koa ireo lanin’ny herinaratra, noho ny fahatapahan’ny tariby mitondra ny herinaratry ny Jirama. Nalefa teny amin’ny hopitaly Hjra sy Itaosy ireo naratra.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre