Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Atao sorona ny zana-bahoaka!

Im-pito atao vakisiny mitovy! Tsy mbola nisy toy izany angamba raha tsy teto Madagasikara. Ity hetsika fanaovana vakisiny faobe hiadiana amin’ny lefakozatra ity no tiana resahina. Miditra amin’ny andiany fahafito nanomboka omaly ny fanaovana izany isan-tanàna. Mazava ho azy fa miha tsy mazoto ny ray aman-dreny satria tsy fantatra mazava intsony izay tian’ny fitondram-panjakana hahatongavana. Ao anatin’ny roa taona latsaka ve ny zanak’olona no terena handray vakisiny mitovy daozy sy mitovy karazana im-pito. Vao maika angamba harary indray ny zana-bahoaka satria be loatra sy matetika loatra ilay hetsika. Tsy hita eo noho eo rahateo ny voka-dratsin’izany fa any aoriana any vao fantatra. Rehefa tsy manaiky ny isam-baravarana dia ny any am-pianarana indray no ataon’ireo mpanentana ara-pahasalamana tery vay manta ary misy mihitsy ny fandrahonana fa hosazian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izay fianarana tsy mety mampanao vakisiny ny mpianany. Ny sekoly katolika sasany dia efa nanambara fa tsy hampiditra ireo mpampanao vakisiny intsony. Rariny sy hitsiny ny azy ireny satria efa natao vakisiny avokoa ny mpianatra amin’ireny sekoly ireny ary tsy mila izany vakisiny izany intsony. Ny Fanjakana mihitsy no mitavozavoa fomba fiasa raha toa ka tsy nahavita nanao vakisiny ny zaza malagasy rehetra tao anatin’ny andiany enina voalohany nanaovana ny vakisiny faobe iadiana amin’ny lefakozatra izay.

Tsy ity resaka vakisiny ity ihany no mampikolay ny vahoaka fa ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy. Toy ny manara-dalàna ihany no tangosana sy saziana fa ny olon-dratsy afaka madiodio ho azy eny hatrany. Mitaraina ny ankamaroan’ireo mpandraharaha malagasy, noho ny fahasarotan’ny fifaninanana. Ireo mpanelanelana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany no lasa manjakazaka fa ireo orinasa mpamokatra potehina amin’ny hetra sy haba ambony mba tsy hahafahan’izy ireo miatrika tsara ny fifaninanana. Dia potika ho azy ny mpandraharaha malagasy satria tsy mahazo tombony ary voatery misambo-bola nefa tsy mahavita manefa izany ka hamidy mora ny orinasa avy eo. Firifiry ny mpandraharaha malagasy no sahirana amin’izao fotoana izao satria ny vahiny hatrany no omena vahana hiroborobo eto amintsika. Tsy mahagaga raha mitombo isa ny tsy an’asa sy ny fadiranovana satria kely dia kely ny famoronana asa isan-taona. Lasa mifantoka any amin’ny resaka serivisy sy fanelanelanana fotsiny sisa ny ankamaroan’ireo orinasa vaovao mitsangana. Izany hoe sady tsy mampiasa olona betsaka tsy mamokatra akory.

Rehefa tena dinihina dia toa atao sorona fotsiny ny zaza malagasy mba hahazoana famatsiam-bola etsy sy eroa. Mirehareha fatratra ireo tompon’andraikitra rehefa nankatoavin’ny vahiny ny famatsiam-bola amin’ny sehatra sosialy sy fahasalamana nefa hita fa ny fahorian’ny malagasy ihany no ahazoana izany. Tsy misy olona hanome vola sy fanafody ary fanampiana hafa maimaim-poana  izany raha tsy hitany fa tena fadiranovana sy mandady ao anaty fahantrana tanteraka ny vahoaka. Dia faly sy mirehareha ny mpitondra fa ankatoavina sy atokisan’ny sehatra iraisam-pirenena satria nahazo fampanantenana fa hisy fanampiana. Adinon’izy ireo fa ny malagasy maro be tsy mihinan-kanina sy potiky ny aretina no mahatonga ny vahiny manome. Izany hoe hitan’izao tontolo izao fa mahantra tanteraka ny malagasy ka mila ampiana. Tsy fahombiazana izany fahantrana izany ary sady tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra. Raha Fanjakana mahay sy mahomby tsy mangataka etsy sy eroa fa mampiseho ny zava-bitany tamin’ny herin’ny tenany sy ny fanohanan’ny vahoaka azy kosa. Lazaina foana fa manan-karena harena an-kibon’ny tany i Madagasikara nefa izay malagasy mikasa hikitika izany dia anaovana ramatahora sy antsojay ary miafara amin’ny fampiasana herisetra sy fisamborana mihitsy aza matetika. Tena sorona ny malagasy.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre