Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Lehilahy mamo natelin’ny ranomasina

Maty natelin’ny ranomasina ny lehilahy iray 30 taona any ho any, tany amin’ny Dépôt  Analakininina Toamasina ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 1ora sy 30 minitra tany ho any. Mamo ity lehilahy ity, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nisotrosotro teny amoron-dranomasina izy sy ny namany ary tampoka teo nanapa-kevitra ny handeha hilomano izy.

Tsy fantatr’ ity ranamana ity anefa fa tsy mifanaraka mihitsy ny toaka sy ny ranomasina. Niroboka avy hatrany nanao an-kisitrika tany anaty rano izy ary tsy nipoitra intsony. Tsy nahatsikaritra ny fanjavonany akory ireo olona niaraka nisotrosotro taminy satria efa samy nentin’ny alikaola. Efa ela vao taitra tsy nahita azy teny anaty rano intsony. Nikoropaka izy ireo niantso vonjy ka ireo teny amin’ny manodidina no nanao ny fitadiavana azy. Naharitra 30 minitra tany ho any ny fikarohana ilay tovolahy ary  vatana tsy misy aina intsony no hitan’ireo mpanavotra.

Mahakasika ity tranga niseho tany Toamasina ity, tokony hitandrina ny tsirairay amin’ny filalaovana rano, indrindra amin’izao akaikin’ny fetin’ny Paska izao fa be dia be ny loza tsy ampoizina mety hiseho.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre