Nandeha lalana tsy azo iverenana – Mpandeha môtô nodomin’ny taxi-be
Naratra mafy nodomin’ny taxi-be ny tovolahy iray nitondra môtô ny faran’ny herinandro teo, teny Ambohibao. Nandeha lalana tsy azo iverenana (sens unique) ilay kodiaran-droa ka nifatratra avy hatrany teny amin’ity fiara fitateram-bahoaka ity. Nandeha mafy ilay niharan-doza, araka ny vaovao voaray ka nipitika roa metatra teny amin’ilay toerana nisehoan’ny loza vokatry ny dona mafy loatra. Nitontona tamin’ny tany izy ary vaky be ny lohany.
Fanomezan-tsiny no nataon’ny maro amin’ireo nanatrika ny loza fa tsy nisy niraharaha ity tovolahy ity, nohon’ ny tsy fitandremana ataon’ireo mpitondra môtô izay efa mampitaraina ny rehetra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







