Antananarivo – Mihatra ny fitsaraham-bahoaka
Mpanendaka roa lahy no niharan’ny fitsaraham-bahoaka teto an-drenivohitra teny amin’ny faritra 67ha sy Tsiadina. Efa leo tanteraka ny amin’ireto tontakely ireto ny olona, ka avy hatrany dia nanenjika sy namono ary nilako ireo olon-dratsy. Toy izay nahazo ny tovolahy iray, teny 67 ha ny harivan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 7ora mahery kely teo. Nosintomin’ity jiolahy ity ny poketra teny an-tànan-dramatoa nandeha an-tongotra manoloana ny trano fandraisam-bahiny Mada Hôtel. Raikitra avy hatrany ny fanenjehana vao nahare ny antso vonjin’ny lasibatra ny manodidina. Tsy lasa lavitra dia tratra ilay mpanendaka ary mbola sarona teny aminy ny entana nangalariny.
Tsy nisy alaharo alaharo fa nandeha avy hatrany ny daroka, ny vono sy ompa avy tamin’ireo nahatratra. Sisa tsy nanefa tamin’izany ny ain’ity mpanao sinto-mahery ity. Tarehy nivindana, orona vaky, rà mijininika … Nanavotra azy teny amin’ireo olona tezitra ny tovolahy iray, izay mety ho mpanao asa ratsy miaraka aminy izay nilaza hoe « tsy jiolahy io fa akama eto an-tanàna.»
Fa resaka sinto mahery hatrany dia naratra mafy koa ny tovolahy iray teny Ambohidempona Tsiadana, omaly maraina, tratra teo am-panendahana olona iray teny an-toerana. Tsy namela nahazo mihitsy ny fokonolona ka nifona sy nitomany ity olon-dratsy ity vao navelan’ireo nandeha rehefa nahazo ny sahaza azy.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







