Ankazomanga-Antohomadinika – Tratra ireo mpanao asa ratsy eny an-toerana
Maro ny fitarainana voarain’ny polisy mahakasika ny fisiana mpanao sinto mahery. Voasambotra nandritra ny hetsika manokana notanterahina teny amin’ny fokontany Ankazomanga sy Antohomadinika, ny sabotsy lasa teo ireo mpamaky trano sy mpanendaka valo lahy. Tsy ampy taona ny enina amin’izy ireo. Nambaran’izy ireo fa manomboka amin’ny 8ora alina ny fijorojoroana eo amin’ny Dalle Ankazomanga. Tontolo fiasàna mba hitadiavana izay harapaka ary ny olona mandeha irery no tena lasibatra. Mitohy ihany izany asa ratsy izany ka mivadika mamaky trano indray ireo jiolahy rehefa alina ny andro ary efa betsaka ireo mahafantatra azy ireo fa tsy sahy mitory. Mbola isan’ireo mpanao sinto mahery eny an-toerana mandritra ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ankazomanga ihany koa ireto olon-dratsy ireto, araka ny filazàn’izy ireo hatrany. Marihina moa fa folo no tena isan’ireo jiolahy ireo fa mbola miriaria any ny ambiny.
Tratra teny Antohomadinika teo akaikin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy ny sabotsy alina teo ihany ny mpanendaka iray. Nosamborina ihany koa ny vaomieran’ny fokontany taorian’ny famotorana, izay voarohirohy ho mpiray tsikombakomba aminy. Natolotra ny fampanoavana omaly izy rehetra ireo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







