Mamono mahafaty ny fifamoivoizana
Nisesisesy indray tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana izay vokatry ny tsy fitandremana avokoa. Fandehanana mafy, tsy fahatomombanana ara-teknika, hamamoana, ary tsy fahaizana mifehy ny familiana sy tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana no mahatonga izany rehetra izany. Manao ny di-dohany sy izay heveriny fa mety aminy ireo mpamily taxi sy taxi-be ary mpitaingina môtô ary tsy te hahalala ny hafa fa mihevitra azy ireo ho mpanjakan’ny lalana. Mba manao izay ho afany ihany ny mpitandro filaminana mandrindra ny fifamoivoizana saingy tsy maharaka satria maro loatra ny adala sy ny ratsy taiza ka mbola maro ihany ny loza mitranga.
Ny fisian’ny kolikoly no tena fototra voalohany mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Maro amin’ireo olona manana fahazoan-dalana mamily fiarakodia sy môtô mantsy no tsy mahafehy izany akory fa nandoa vola fotsiny dia nahazo ny taratasy ilaina. Ny tena mamohehitra dia ireo fianarana mamily mihitsy no lasa mpanera amin’ny kolikoly hahazoana fahazoan-dalana mamily. Voatery hanao izany rahateo ny ankamaroan’ny olona satria raha tsy mandoa vola tsy afaka na dia mahay mitondra izao aza. Dia lasa fanararaotan’ny resevera te ho lasa mpamily io kolikoly io satria mora ho azy ireo ny mahazo ny taratasy fahafahana mamily. Sady ratsy taiza avy any ambanivohitra no zara raha nahita fianarana ka tsy mahafehy ny fitondran-tena an-drenivohitra ireo resevera lasa mpamily ka heverin’izy ireo fa mariky ny fahamboniana ny mitrifatrifana amin’ny fiara fitateram-bahoaka etsy sy eroa. Tsy mahagaga raha mitranga ny loza amoizana ain’olona satria fiara tsy natokana handeha mafy, no tsy tomombana ara-teknika, no eo ampelatanan’ny olona maivan-doha.
Raha ny hevitry ny vahoaka sy ny mpanjifa ary ny mpampiasa lalana rehetra dia mila diplaoma manokana mihitsy ny fanaovana sy fahazoan-dalana manao ny asa familiana ho an’ny fiara mpitatitra. Izany hoe ankoatra ny familiana sy ny fianarana ny lalàn’ny fifamoivoizana dia tokony hisy sampam-pianarana mandritra ny iray na roa taona mamoaka diplaoma hahafahana manao saofera. Sady hampiakatra ny lanjan’ilay asa io satria olona matotra sy tsara ofana no mivoaka ao fa tsy fakofakon’olona toy ny ankamaroan’ny saofera sy resereva ankehitriny, no ihany koa hanome antoka ny vahoaka fa tsy ho lasa fitaovana famonoana olona intsony ny fiara fitarem-bahoaka. Maro ihany izay loza nitranga izay ary raha isaina dia mahatratra am-polony maro, mba tsy hilazana fa an-jatony isan-taona ny olona matin’ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikaraa ary ireo fiara fitateram-bahoaka no tena mahatonga izany. Misy andraikitry ny tompona fiara sy ny kaoperativa ihany koa anefa satria ireo mpamily tsy matotra fa manaiky handray karama kely fotsiny no ampiasain’izy ireo. Tsy mahagaga raha mifanandrify amin’ny fahambanian-tsain’ireo mpamily ambany karama ihany koa ny vokatra entin’izy ireo.
Tena loza ho an’ny vahoaka ary mahafaty fa tsy vazivazy ity fifamoivoizana ity na an-tanan-dehibe na ambanivohitra na eny amin’ny lalam-pirenena sy ny fitaterana ambony rano ihany koa. Tsy ireo saofera ihany no mamoa-tsampona fa ireo mpitondra môtô ihany koa. Izay olona manana roa hetsy ariary hividianana ireny skotera ireny dia mirifatra sy manao izay saim-pantany manerana ny tanàna. Tsy mahagaga raha toa ka izy ireo no mameno isa ny lisitry ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra. Raha izy mitondra azy no maty sy maratra, sitra-po ny azy fa ny tena olana dia ny fahavoazan’ny mpandeha an-tongotra tsy manan-tsiny. Tokony ho hentitra ny mpitandro filaminana manoloana ireny mpitaingina skotera maivan-doha ireny. Mody manao aroloha ny sasany nefa ny anatiny poak’aty ! Rehefa tenenina dia be famaliana sy avo vava nefa rehefa midona tonga dia rapa sy tapaka ary potipotika.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







