Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Antalaha – Mpanjono iray tsy hita popoka

Tsy hita popoka ny alatsinainy, 14 martsa teo ny mpanjona iray 45 taona, ao amin’ny kaominina Ambalambe, distrikan’Antalaha. Niala tao amin’ny trano fonenany, nandeha nanjono izy ny androtr’io ary tsy niverina intsony. Niahiahy tamin’ny tsy fodiany ny havany satria tsy mba fanaony mihitsy izany. Nampandre ny tompon’andraikitra teo an-tanàna ireo fianakaviana ary natao ny fikarohana azy ny alin’ny alatsinainy io fa tsy nahitam-bokatra izany. Voatery niverina teny an-dranomasina, araka izany ny fokonolona, omaly talata saingy tsy mbola nahitam-bokany ny fitadiavana azy hatramin’izao. Very hevitra ny fianakavian’ity lehilahy ity manoloana izao tsy fahitana azy izao satria tsy manana fanantenana ny ahitana azy velona intsony. Mbola mitohy ny fikarohana.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre