Ikalamavony – Dahalo 25 nangalatra omby roa
Nitrangana halatr’omby indray tany Ikalamavony. Dahalo 25 nirongo kalachnikov sy basim-borona nanafika tao Ambalakinagna, izay toerana fiandrasana omby, any amin’ny fokontany Ivozona, kaominina Mangidy. Tsy mifidy fotoana intsony ireo malaso. Tamin’ny 9ora maraina izy ireo no niditra masiaka nanapoapoaka basy nanao ramatahora ireo fokonolona, ny alatsinainy 14 mars lasa teo. Lasa ny omby roa izay samy hafa ny tompony. Efa lasa tany an-tsaha ny maro, indrindra ireo lehilahy ary saika vehivavy avokoa sisa tafajanona teo an-tanàna. Nirongo fitaovam-piadiana ireo malaso ka tsy afaka nanohitra ireo fokonolona. Naleon’ireto farany nifitsaka tao an-tranony avy.
Tamin’ny fandosirana iny indrindra anefa dia olona iray no voan’ny balan’ireo olon-dratsy. Voa teo amin’ny kibony izy ary maty teo no ho eo, nohon’ny fahaverezan-dra be loatra. Niady irery izysatria tsy nisy sahy nanavotra azy ny olona. Ity farany izay voalaza fa zanaky ny iray tamin’ireo very omby. Fotoana fohy taorian’ny nandaozan’ireo dahalo ny tanànan’Ambalakinagna vao sahy nampandre ny mpitandro ny filaminana ny fokonolona. Nidina teny an-toerana izy ireo nanao fizahana. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’izay. Nisy ihany koa ny fanarahan-dia nataon’ny zandary sy ny andiana fokonolona nanaraka ny dian’omby.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







