Lozam-pifamoivoizana – Mpitaingina bisikileta iray indray no maty
Mila ho isan’andro tato ho ato izay ireo mpitaingina bisikileta namoy ny ainy vokatry ny hetraketrak’ireo mpamily taxi-be izay tsy mitandrina mihitsy fa tena mirimorimo mafy sy mifanenjika. Iray hafa indray no maty ny ampitson’ny nahavoadona azy teny Alasora, ny 13 martsa lasa teo ; ankoatra ilay tovolahy nitondra bisikileta maty nofaohan’ny taxi-be, Zotra 192 ny sabotsy lasa teo, teny Mandroseza. Namoa-doza tamin’io fotoana io ny fiara fitateram-bahoaka manao Zotra 194.
Nandeha mafy ity farany nefa nanapaka tampoka ny arabe ilay mpitondra bisikileta, hany ka voafaoka ihany ilay lehilahy na niezaka nanitsaka hisatra aza ny mpamily ny fiara, araka ny loharanom-baovao. Mafimafy ihany ny dona nahazo ity lehilahy ity. Vokany, vaky ny lohany. Nifamonjena nentina nihazo ny hopitaly Hjra izy, saingy indrisy anefa fa be loatra ny ra very taminy ka tsy tana intsony ny ainy, nony tonga kelikely tao amin’ny toeram-pitsaboana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







