Toamasina – Miverina indray ny famakiana fiara
Manjaka indray ankehitriny ny famakiana fiara raha nilamindamina izany tao ho ao, tany Toamasina. Efa tsy mifidy ora intsony ireo olon-dratsy amin’izao fotoana izao raha amin’ny andro alina foana ny fanaovan’ izy ireo izany matetika. Lasibatra ny fiara tsy mataho-dalana iray nipetraka nanoloana ny lapan’ny tanàna, omaly maraina, tamin’ny 11ora sy 30 minitra. Nandeha nikarakara taratasy tao amin’izany toerana izany vetivety ny tompon’ilay fiara ary efa nivoha ny varavarana tamin’ny fiverenany. Lasa avokoa ny entana maromaro, toy ny solosaina enti-tanana, « tablette », « disques durs » miisa 3 ary antontan-taratasy maromaro.
Tahotra ny iharan’ny valy fatin’ireo olon-dratsy ve fa tsy nisy sahy nilaza nahita ny fizotran’ny famakiana sy fangalarana ireo olona teny an-toerana. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







