Belo Tsiribihina – Pasitera ihany no mibizina ny lakolosim-piangonana
Mahazo vahana ny halatra lakolosim-piangonana tao ho ao tany Belo Tsiribihina. Saika ripak’ireo olon-dratsy avokoa mantsy ny lakolosy fampiasa amin’ireo fiangonana any an-toerana ankehitriny. Fantatra fa Ingahy pasitera sy ireo loham-piangonana ihany no mivarotra ity fitaovana ity rehefa natao ny fanadihadiana.
Very ny lakolosin’ny fiangonana Loterianina malagasy, izay milanja 1 kilao mahery eo, tany Belo Tsiribihina, ny harivan’ny zoma 11 martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 7ora, araka ny vaovao voaray. Nametraka barazy avy hatrany teo Tsimifana eny amin’ny lalana fivoahana ny tanànan’i Belo ny zandary taorian’ny fitarainana nataon’ny tompon’andraikitra iray tao amin’izany fiangonana izany. Nisy fiara tsy mataho-dalana marika Hiundai nandalo teo saika hivoaka ny tanàna ka nosakanan’ny mpitandro filaminana ary nosavaina avy eo, tamin’ny 9ora alina tany ho any. Tratra tao anatin’ity fiara ity ilay lakolosy voalaza fa very. Nosamborina avy hatrany ny olona miisa 4 tao anatin’ilay fiara ary isan’izany Ingahy pasiteran’ ny Flm sy ny filohan’izany fiangonana izany.
Fantatra tamin’ny fanadihadiana azy ireo teo amin’ny barazy fa nokasaina hamidy tany Antsirabe io lakolosy io. Efa mandeha ny fanadihadiana. Izy efatra mirahalahy kosa notazomina ao amin’ny biraon’ny zandary any Belo Tsiribihina.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







