Harena tsy azo trandrahina
Malaza tsy ihinanana toa lovian-tsahona fotsiny ny fananan’i Madagasikara harena voajanahary maro be satria toa tsy azo trandrahina ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena akory izy ireny. Sakanan’ny fitondram-panjakana sy ny manam-pahefana avokoa mantsy ny fidiran’ny malagasy amin’ny toeram-pitrandrahana izay hita fa misy volamena na vato sarobidy. Lazaina fa ao anatin’ny faritra arovana izy ireny ka tsy azo kitihina fa manimba ny tontolo iainana. Mahagaga anefa fa rehefa ny orinasa vahiny no manao fangatahana dia mahazo fahazoan-dalana hamotika ala nanahary amin’arivony hektara. Ny tena mahavariana amin’ity raharaha ity dia ireo teknisianina sy manam-pahaizana manokana momba ny tontolo iainana mihitsy no mandrafitra ny antontan-taratasy hahafahan’ny orinasa vahiny hitrandraka harena an-kibon’ny tany nefa misy zava-boahary an-tapitrisany maro tsy maintsy ho simbaina. Voakarama ary voavidy vola, nohon’ny fitiavan-tena ireo siantifika malagasy ka minia manakipy maso ary mivarotra ny fahaizany hahafahana mamotika ala eto amintsika. Na inona na inona fanakanana sy fanazavana entin’ireo vondron’olona ifotony mba tsy hanimbana ny tontolo iainana manodidina azy ireo, nohon’ny tetikasa goavana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany dia maty momoka izany, nohon’ny herin’ny vola. Hatreto anefa tsy hita izay fampandrosoana an’i Madagasikara nentin’ireo orinasa vahiny mitrandraka ny harena eto. Ny fitondram-panjakana rahateo toa tsy mihetsika mihitsy ary tsy mitaky ny zony na dia ambany dia ambany aza ny tamberim-bidy azon’ny firenena. Rehefa ny malagasy madinika anefa no mitrandraka amin’ny fomba eo am-pelatanany dia voarara sy andefasana mpitandro filaminana mihitsy. Tsy azo kitihina avokoa izay toerana misy volamena sy vatosoa ary lazaina fa faritra arovana. Arovana amin’ny inona hoy ny fanontanian’ny maro satria toa tsy hita izay vokatra azo hatramin’izao. Mihena isan-taona ny velaran-tany misy ala eto Madagasikara ary maro be ny zavamaniry sy biby tsy fahitra afa-tsy eto ary tsy azo amidy na aondrana any ivelany. Izany hoe harovana ve izany ireny harem-pirenena ireny mba haondrana ho an’ny vahiny ?
Karazan’ny fihatsarambelatsihy fotsiny ihany ny asan’ireo olona sy vondrona milaza fa miasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana satria tsy mamokatra mihitsy. Ataon’izy ireo fitadiavana famatsiam-bola hamenoana ny paosiny fotsiny ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara nefa tsy hita izay tombontsoa ho an’ny vahoaka. Tsy azo tapahina ny ala, tsy azo hazaina ny biby, ary tsy azo trandrahina ny harena an-kibon’ny tany nefa tsy hita izay vokatr’izany any amin’ny vahoaka ifotony monina manodidina ny ala. Ireo fikambanana milaza ho mpiaro ny tontolo ianana anefa mahazo famatsiam-bola mikararana izay hanakarama ny mpiasany sy ireo vahiny milaza fa teknisianina amin’ny fiarovana ny harena voajanahary. Lanin’ireny fikambanana ireny ny ampahany betsaka amin’ny famatsiam-bola tokony hanaovana tan-tsoroka ho an’ny olona ifotony mba tsy hikitihan’izy ireto ny ala ka izay no mahatonga ny olana. Tsy vendrana mantsy ny malagasy ary mahatakatra tsara ny zava-misy ka tsy azo rebirebena amin’ny fanomezana kely tsy mahavita taona. Mody ananganana sekoly sy fotodrafitrasa tsy misy ilana azy akory ny vahoaka ifotony dia heverin’ireo fikambanana iraisam-pirenena fa azo fitahina amin’izany. Mody omena fiofanana amin’ny fambolena sy fiompiana dia omena masom-boly kely sy biby fiompy vitsivitsy nefa fantatra tsara fa tsy vahaolana maharitra izany fa mandalo fotsiny ihany. Lanin’ireo malagasy miasa amin’ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana ireny sy ny vahiny sefon’izy ireo fotsiny ny famatsiam-bola fa tsy hita izay vokatra azo hatreto. Tsy mahagaga raha tsy mandeha amin’izay laoniny ny tetikasa rehetra fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Porofon’izany dia tsy mitsaha-mihena ny velaran-tany misy hazo nefa milaza fa miasa ireo fikambanana tsy miankina rehetra. Tsy avela trandrahin’ny malagasy ny harem-pireneny satria ilain’ny vahiny.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







