Arivonimamo – Mpamatsy mananasy voaroba 5, 5 tapitrisa ariary
Tonga nametraka fitarainana teny amin’ny zandary Arivonimamo, ny lehilahy iray mpamatsy mananasy ny sabotsy 12 martsa lasa teo. Voaroba vola 5, 5 tapitrisa ariary izy, teny amin’ny toerana atao hoe Soalanitra, kaominina Ambohitrambo, ny zoma 11 martsa. Nisy 3 lahy nanambana basy azy sy nitaritarika azy tany amin’ny takotakona araka ny filazany. Tsy afa-namaly izy nandritra io ka lasa ny vola ary vaky nandositra ireo olon-dratsy nony avy eo. Nidina teny amin’ny toerana nisehoan’ny asa ratsy ireo mpitandro filaminana nijery ifotony ny fandehan-javatra ary nanao ny fanarahan-dia avy eo. Loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po no nanoro ny lalan’ireo jiolahy ary nahafantarana ny toerana nitsoahan’izy ireo. Tratra ny iray tamin’izy ireo. Nahafahana nisambotra ireo namany roa hafa ny fakana am-bavany azy. Mbola tany amin’izy ireo ny ambim-bola 4, 3 tapitrisa ariary niaraka tamin’ny basy poleta vita gasy iray sy bala roa “9mm”.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







