Filan-kevi-pirenena momba ny fanabeazana – Sehatra hanatsarana ny fampianarana
Nanomboka, omaly 16 martsa, ary aharitra telo andro ny filan-kevi-pirenena momba ny fanabeazana (Conseil national de l’éducation (CNE)), eny amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Fivoriana ara-potoana voalohany izay hiarahana amin’ny sehatra tsy miankina, tale nasionaly tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ny akademisianina natao hanatsarana ny sehatra ny fampianarana eto Madagasikara, izay tarihin- dRatrema William, filohan’ny CNE.
Marihina fa mitrandraka ny foto-kevitra noraisina nandritra ny fikaonan-doha lehibe izay natao tamin’ny volana oktobra 2014 ny filan-kevi-pirenena momba ny fanabeazana. Averina dinihina mandritra io telo andro io, ny « reforme circulaire », ny fahazoan-dalana mampianatra, ny fiofanana ho an’ny mpampianatra ary ny fanatanjahan-tena eny an-tsekoly. Hisy avy eo ny tolo-kevitra ho an’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny lafiny fanatsarana ny fampianarana ho fananganana izany.
« Tanjona amin’ity CNE ity, ny hisian’ny dingana fandraisana anjara ny tsirairay satria tsy ho an’ireo ministera misehatra eo anivon’ny fanabeazana ihany ny fampianarana fa ho an’ny firenena mihitsy », hoy i Rabeson Roland, mpitan-tsoratra jeneraly ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







