Halatra taribin’ ny « Telma » – Olona folo voasambotra
Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy, ny talata maraina vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny 2ora tany ho any no tratra teo am-pangalarana tariby ny «Telma» ireo olona folo, teny amin’ny fokontany Mananjary. Vehivavy ny iray tamin’ireo mpangalatra ary mbola nahatratrarana tariby varahina milanja 50 kilao teny aminy. Nampandre avy hatrany ny orinasa « Telma » ny polisy misahana ny raharaha ka nidina teny amin’ny boriborin-tany faha-V eny Mahamasina izy ireo nanamarina fa azy tokoa ireo tariby nisy nangalatra ireo. Nametraka fitoriana avy hatrany ny orinasa.
Nambaran’izy ireo nandritra ny famotorona ny mpandray ireo entana halatra. Monina eny Ankadimbahoaka ireo roalahy mpandray izany ary efa voasambotra ihany koa. Efa ela no natao ny fangadiana ireo tariby ireo, izay marihina fa milevina any anaty tany, araka ny filazan’izy ireo hatrany. Natolotra ny fampanoavana omaly ireo olon-dratsy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







